FANOLORANA VONJY MAIKA NY “BLOC OPERATOIRE” ANTSOHIHY

FANOLORANA VONJY MAIKA NY “BLOC OPERATOIRE” ANTSOHIHY.

Vita soa aman-tsara ny fananganana ny foto-drafitr’asa, Bloc opératoire vaovao izay naorina ato amin’ny Centre Hospitalier de Référence Régionale (CHRR) SOFIA eto ANTSOHIHY, raha natomboka tamin’ny volana Novembre 2013 ny fametrahana ny vato fehizoron’ity trano manara-penitra ity.

blocbloc2

 

 

 

 

 

Fiaraha-miasan’ny CHRR SOFIA sy ireo mpikambana ao amin’ny AIMA (Aide Internationale Médicalisé d’Arras) avy any Frantsa, no nahavitana ity BLOC Opératoire ity.

BanderoleKa notanterahina tamin’ny fomba ofisialy, ny tolak’andron’ny ALAROBIA 16 Avril 2014 lasa teo iny, ny lanonam-panolorana vonjy maika ara-teknika, ho fanamarihana ny fahavitan’ny Foto-drafitr’asa vaovao ity.

Nitarika ny lanonana ny Lehiben’ny Faritra SOFIA, ny Colonel SERGE Elliot sy ireto Delegasiona AIMA nitarihan’Atoa ERIC NONCLERQ avy any amin’ny ville d’Arass, Région Nord Pas de Calais, France.

FanoloranaKa ireo rehetra nifandimby nandray ny fitenenana teto dia samy nisaotra sy nankasitraka izao fiaraha-miasa misy eo amin’ny CHRR SOFIA sy ny AIMA avy any Dilam-bato izao, ary tandrovana mandrakariva ny fikajakojana sy fahadiovan’ny trano.DiscoursNanotrona ny Lehiben’ny Faritra SOFIA tamin’ity lanonana ity, ny Sekretera jeneralin’ny Faritra sy Lehiben’ny Distrikan’Antsohihy ary ny Ben’ny Tanànan’ny Commune Urbaine Antsohihy, niaraka tamin’ireo avy amin’ny fianakaviamben’ny fahasalamana nitarihan’ny Talem-paritra aty SOFIA.

sary

                                                          Attaché de Presse: RAZAFINDRAKOTO Jean de Dieu

buy valacyclovir generic valtrex canada — order valtrex without a prescription —
24/7 customer support – buy valtrex Online. Below you can buy valtrex (
buy zyban online australia zyban reviews

Comments are closed.